Toa mangingina ety raha tsy eo ianao malala
toa mamanala akia nilaozanao
fa malahelo mamelovelo
manina anao aho manina anao!
Ny lalan-tsika ity efe safidy io ry tiana
Lalam-pitia anie temerin-tsedra
tsy hitarainana f'izay no fianana
manina anao aho manina anao
Iny lalana iny e!
afa-miraikitr'ireo dinan-tsika teny
natrhan'ny anabakabaka iny
nifamihina e!
tsy ho adinoiko e!ho tsiahiko!
Ny lakan-tsika ity anivon-drano malala
ao an-tanana koa misy mandrahona
fa manantena ilay fandresena
manina anao aho manina anao!
Ny fandrahonana hatrany am-ponja aza
tsy nahasaraka ahy mbola hifamihina
fitia tsy miahotra tsy mosy tohotra
manina anao aho manina anao!
Iny volana iny e!
nanatrik'iny ranomaso harivariva
ilay tafasirin-tsika amorom-patana e!
sedra-pitia o!sedra pitia!